V-
1- Ny fisolokiana, anisan'izany : fanafenana kileman'ny entana.
- Tatitra azo avy tamin' i Abi-Hourayrat (R.A), niteny hoe : "Indray andro i Mpaminany (S.A.W)) nandalo teo amin'ny mpivarotra sakafo (voamaina) ka nampidiriny tao anatin'ilay sakafo amidiny ny tànany, rehefa navoakany tao ny tànany dia lena. Teo izy niteny tamin'ilay mpivarotra : "Inona ity ry mpivarotra ?". Namaly azy ilay mpivarotra manao hoe : Tratran'ny ranon'orana avy any an-danitra izy io ry Irak'i Allah. Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : “Nahoana no tsy napetrakao teo ambonin’ny sakafo izy io mba ho hitan’ny olona? Izay mamitaka dia tsy isan'ny mpiara-dia amiko". [Notaterin'i Mouslim].
2-Ry fampanjanaham-bola (Riba) : Toy ny mindram-bola 1 000 ariary amin'ny olona avy eo dia averina ho 2 000 ariary.
- Ka ilay fanampiny no zana-bola voarara.
Niteny i Allah manao hoe : - ( (Ary nataon'i Allah ara-dalàna ny varotra fa norarany kosa ny fanjaham-bola). [Sourate-Al-bakarat : 275].
3- Fitaka sy tsy fahalalana: Toy ny hoe mivarotra rononon'ny ondry izay mbola tsy azo, na trondro anaty rano, nefa tsy mbola tsy voajono akory.
Amin'ny Hadith milaza manao hoe : "Noraran'ny Mpaminany (S.A.W) ny fanaovana varotra am-pitaka". [Notaterin'i Mouslim].