V-
1- Ny fitokisana eo amin'ny fitandroana ny zon'i Allah ilay avo Tsitoha.
Ny endriny : Ny fitokisana eo amin'ny fanatanterahana ireo fanompoana rehetra toy ny Swalat sy ny Zakat, fifehezana ary fanaovana ny Hadj, sy ireo fanompoana hafa izay nodidian'i Allah amintsika.
2- Fiarovana ireo zon'ny zava-boary :
-Isan'ireo fiarovana voninahitry ny olombelona.
- Fiarovana fananan'izy ireo.
- Fiarovana rà-n'izy ireo.
- Fiarovana tsiambaratelom-piainan'izy ireo sy izay rehetra napetraka ho fifampitokisana eo aminao.
Niteny i Allah mahakasika toetran'ireo olona mahomby : 8- (Ary ireo izay mitandrina ireo zavatra nankinina taminy, sy izay nanaja ny fampanantenana nomeny). [Sourat Al-Mouminouna : 8].