F28 : Inona no atao hoe : hakanosana? ary inona no atao hoe : fasahiana?

V28 : Ny fahakanosana : dia fatahorana amin'ny fotoana izay tsy tokony hatahorana.

Toy ny tahotra ny hilaza ny marina sy ny fandavana na fanoherana ny ratsy.

Ny fasahina : Dia fananana herim-po amin'ny fahamarinana, ary toy ny fahasahiana eo amin'ny kianjan'ny ady masina ho fiarovana ny finoana Islam sy ny mpino mpanaraka azy.

Ary i Mpaminany (S.A.W) tsy mitsahatra mamerina ilay tonim-bavaka ka miteny hoe : "Allahoumma Inni aouzou bika minal-joubni - izay midika hoe : Tompo Allah oo, mitady fiarovana aminao aho manoloana ny fahakanosana...". Ary mbola niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino matanjaka dia tsara sy tian'i Allah kokoa noho ny mpino malemy, fa izy roa samy misy hatsarana". [Notaterin'i Mouslim].