F27 : Inona no atao hoe fandaniam-poana? Ary inona no atao hoe fahirana? Ary inona no atao hoe fahalalahan-tànana?

V27 : Fandaniam-poana : Dia fandaniam-bola amin'ny tsy rariny.

Ary ny mifanohitra aminy : Ny fahirana : Dia fitazomana ny vola amin'ny tsy rariny.

Ary ny tsara dia ny afovoany, ka ny mpino silamo dia tokony ho malala-tànana.

Niteny i Allah manao hoe : (Ary ireo izay mamoaka fananan'izy ireo dia tsy mandanindany foana no sady tsy mahihitra ihany koa fa amin'ny antoniny eo anelanelan'izany". [Sourat Al-fourqan : 67].