F26 : Inona no atao hoe fitsikilovana?

V26 : Izy io dia ny fanaraha-maso sy fitadiavana ny fahadisoan'ny olona sy izay afeniny.

- Ireo endrika maha voarara azy :

- Ny fitsidihana ireo henatry ny olona any an-tranony.

- Ny fihainoan'ny olona iray ny resaka izay hifanaovan'ireo vahoaka nefa ireo vahoaka tsy mahalala izany akory

Niteny i Allah manao hoe : (Aza mifampitsikilo ianareo). [Sourat Al-houjorati : 12].