V24 : Fahatsapana'ny olona vesatra amin'ny fanatanterahana ireo zavatra tsara sy ireo zavatra tokony hataony.
Anisan’izany ny : hakamoana amin’ny fanaovana adidy.
Niteny i Allah manao hoe : (Tena marina fa ireo mpihatsaravelatsihy, dia mitady hamitaka an’i Allah, nefa Izy (Allah) no mamitaka azy ireo, Ary rehefa mitsangana hanatanteraka Swalat izy ireo, dia mitsangana amin’ny hakamoana no sady misehoseho aman’olona ka tsy mahatsiaro an’i Allah izy ireo afa-tsy kely ihany). [Sourat-An-Nisa :142].
Koa tokony hiala amin’ny hakamoana sy ny fitpetraham-potsiny ary ny fidonanaham-poana ny mpino ka miezaka amin’ny asa sy mihetsiketsika, ny fahamatorana ary ny fahazotoana amin’izao fiainana izao manaraka ny fomba ankasitrahan’i Allah.