V20 : 1- Ny fieboeboana amin’ny fahamarinana, dia ny fandavana ny marina sy ny tsy fanekena izany.
2- Ny fieboeboana amin’ny olona, izany dia fanambaniana sy fanesoana azy.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy miditra ao amin'ny Paradisa izay manana fanambonian-tena na dia kely toy ny atoma ao am-pony". Teo dia niteny iray tamin'ireo mpanara-diany hoe : "Raha ny olona iray mitia mitafy lamba tsara, sy kiraro tsara? Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tompo Allah dia tsara ary mankatia zavatra tsara, fa ny fanambonian-tena : dia fandavana ny fahamarinana, sy fanaovana tsinotsinona ny olona". [Notaterin'i Mouslim].
Fandavana ny fahamarinana : tsy fanekenao azy.
Fanaovana tsinotsinona ny olona : dia ny fanambanianao azy ireo.
- Ny fananana lamba sy ny fitafiny tsara, dia tsy voasokajy ho fanambonian-tena.