F19 - Farito ary atao hoe : fanetren-tena?

V19 : Tsy mitoni-tena ho ambonin'ny hafa, ka tsy manambanimbany azy ireo ary tsy manda ny fahamarinana.

Niteny i Tompo Allah manao hoe : (Ary ireo mpanompon'ilay be indra fo rehefa mandeha eny ambonin'ny tany dia am-panetren-tena). [Sourat Al-fourqan : 63]. Izany hoe : manambany tena. Ary niteny i Mpaminany (S.A.W), manao hoe : "Ary tsy misy olona manetry tena eo anatrehan'i Allah afa-tsy hoe asandratr'i Allah". [Notaterin'i Mouslim]. Ary mbol niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Nodidin'i Allah aho amin'ny fanetren-tena, mba tsy hireharehan'ny sasany amin'ny hafa, ary tsy hisy hampahory sasany amin'ny hafa". [Notaterin'i Mouslim].