F18 : - Inona no atao hoe fanesoana?

V18 : Izy io dia aniany sy fanambaniana atao amin'ny rahalahinao silamo izany, ary tsy azo atao izany.

Niteny i Allah mandrara izany manao hoe : 11- (Ô ianareo mpino ! Aoka tsy haneso andian'ny olona iray ny andiany hafa, fa mety ho mendrika kokoa izy ireny noho izy ireo. Ary aoka ireo vehivavy tsy haneso ireo vehivavy hafa, fa mety ho mendrika kokoa izy ireny noho izy ireo. Ary aza mifanambany ianareo ary aza mifanome anaram-bositra. Tena ratsy tokoa ny anarana maloto, raha efa manam-pinoana ianareo. Ary na iza na iza tsy mibebaka, dia izy ireny no olona lazaina fa mpanao ny tsy rariny". [Sourate-Al-houdjorati : 11].