F17 : Inona no atao hoe fialonana?

V17 : Izy io dia fanirina mba haharavan'ny fahasoavana amin'ny olona, na koa fankahalana ny fahasoavana amin'ny olona hafa.

Niteny i Allah manao hoe : (Ary mangataka fiarovana aminao manoloana ny mpialona rehefa velom-pialonana) [Sourate-Al-Falq : 5].

Tatitra azo ay amin'i Anas Ibn Malik (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Aza mifankahala, aza mifampialona, aza misarakatsaraka, ary meteza ianareo ho mpanompon'i Allah no sady mpirahalahy". [Notaterin'i Boukhari sy Mouslim.]