F15 : Inona avy ireo krazan'ny fitiavana?

V15 : - Fitiavany an'i Allah ilay Avo Tsitoha.

Niteny i Allah manao hoe : (Ary ireo manam-pinoana no tena mankatiana an'i Allah". [Sourate-Al-bakarat :165].

- Ny fitiavana an'i Mpaminany (S.A.W).

Niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Mianiana aho amin'ilay mitazona fofon'aiko eo am-pelatànany, tsy ho mpino ny iray aminareo raha tsy mankatia ahy mihoatry ny tenany sy ny rainy ary ny zanany". [Notaterin'i Al-boukhari].

- Fitiavana an'ireo mpino, ary mankatia ny tsara ho azy ireo tahaka ny itiavanao izany ho an’ny tenanao.

Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "tsy ho mpino ny iray aminareo raha tsy tia ny rahalahiny izay tiany ho an'ny tenany izy". [Notaterin'i Al-bokhari].