V12 : Izy io fiaraha-miasan’ny olona eo amin’ny fahamarinana sy ny tsara.
- Ny endrika hisehoan'ny fifanampiana :
- Ny fifanampiana amin'ny famerenana ireo zo.
- Ny fifanampiana amin'ny famerenana ireo zavatra nalaina tsy ara-drariny :
- Ny fifanampiana amin’ny famaliana ny filan’ny olona sy ny sahirana.
- Ny fifanampiana amin'ny lafiny soa sy tsara rehetra.
- Tsy mifanampy amin'ny fahotana sy ny fampijalina ny olona ary ny herisetra.
Niteny i Allah manao hoe : (Ary mifanampia ianareo amin'ny tsara sy ny fitiavam-bavaka, fa aza mifanampy kosa amin'ny fahotana sy ny hetraketraka, Koa matahora an'i Allah ianareo satria mahery vaika ny saziny". [Sourate Al-Maidat : 2]. Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino manoloana ny mpino namany dia toy ny rindrindra mifanohana ny andaniny amin'ny ankilany". Notaterin'i Boukhari sy Mouslim. Mbola niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino silamo dia rahalahin'ny silamo namany, tsy manambaka azy, tsy manolotra azy amin'ny fahavalony, izay niezaka nanampy ny rahalahiny, dia hohampian'i Allah ihany koa, ary izay nanala mpino iray tao anatin'ny fahasahiranana, dia hafahan'i Allah amin'ireo fahasahiranana any an-koatra, ary izay nanafina kileman'ny mpino, dia hohafenin'i Allah ihany koa ny kilemany amin'ny andro farany". Notaterin'i Boukhari sy Mouslim.