V10 - Ny faharetana amin'ny fankatoavana tompo Allah.
- Ny faharetana manoloana ny fahotana.
- Ny faharetana amin'ny lahatra mangirifiry, ary misaotra an'i Allah amin'ny toe-javatra rehetra.
Niteny i Allah manao hoe : (Tena marina tokoa fa mankatia ireo manam-paharetana i Allah). [Sourat -Àl-'imran : 146]. Ary niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tena mahagaga ny raharahan'ny mpino, satria tsara avokoa ny raharaha momba azy, ary tsy misy olona manana an'izany afa-tsy mpino ihany. Raha mahazo azy ny soa, dia misaotra izy, izany dia tsara ho azy, ary raha misy ratsy mahazo azy, dia manam-paharetana izy, ary izany dia tsara ho azy". [Notaterin'i Moslimo].