V42 : Ny HADJ dia fanompoana an'i Allah ilay avo Tsitoha, ho any amin'ny trano masin'i Allah miaraka amin'ny fanaovana asa voatokana amin'izany ary amin'ny fotoana voatokana ihany koa.
Niteny i Allah manao hoe : {Adidin’ny olombelona manoloana an’i Allah ny mitsidika ilay trano Masina indrindra fa ho an’ireo olona izay afaka mandeha manao izany. Ary izay mitsipaka an'izany kosa dia tena marina fa i Allah tompon'ny harena ary tsy mila an'izao tontolo izao". [Sourate-Àal-'imran : 97].