V37 - Ny Fifehezana dia fanompoana an'i Allah amin'ny alàlan'ny fitazonan-tena tsy misakafo sy tsy misotro manomboka amin'ny maraina vao mangiran-dratsy ka hatramin'ny filentehan'ny masoandro miaraka amin'ny finiavana. Izy io dia roa karazana :
Fifehezana tsy maintsy atao : Toy ny Fifehezana amin'ny volana Ramadan, Ary izy io iray amin'ireo fototra hijoroan'ny Islam.
Niteny i Allah manao hoe : (Ô Ianareo izay nino ! Voadidy ho anareo ny fifehezana toy ny nandidiana izany tamin'ireo vahoaka teo alohanareo, angamba hitoetra ao am-ponareo ny fahatahorana". [Sourate-Al-baquarat :183].
Ary ny fifehezana an-tsitrapo (tsy obligatoire), dia toy ny fifehezana atao ny Alatsinainy sy ny Alakamisy isan-kerinandro, sy ny fifehezana in-telo isam-bolana, ny tena tsara sy mendrika amin'izany dia ny andro fotsy (Ayamoul-Bi-dhy - 13,14,15), amin'ny fanisana andro amin'ny volana.