F27 : Inona ireo Swalat fanampiny antsoina hoe : "Sounnat Rawatib?", Ary inona no valisoa azo avy aminy?

V27 : 2 Rakkats mialohan'ny Swalat fajri.

- 4 Rakkats mialohan'ny Swalat Zouhri.

- 2 Rakkats aorian'ny Zouhri.

- 2 Rakkats aorian'ny Maghrib.

- 2 Rakkats aorian'ny Ichaa.

Valisoany : Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Izay nanao Swalat 12 Rakkats antsitrapo ao anatin'ny andro sy alina, dia hanamboaran'i Allah lapa lehibe any amin'ny Paradisa". [Notaterin'i Mouslim sy Ahamad ary ny ankoatr'izy roa].