Valiny6 : Ny dikany dia : Nalefan'i Allah ho an'izao tontolo izao mpilaza vaovao mahafaly sy mpampitandrina ihany koa.
Ka voadidy ny :
1-Fankatoavana azy amin'izay nodidiany.
2-Finoana azy amin'izay lazainy.
3-Tsy mikomy azy.
4-Tsy manompo an'i Allah afa-tsy amin'ny fitsipi-dalàna nomeny, dia ny fanarahana ireo fomba amam-panao ary mamela ny forona.
Niteny i Allah manao hoe : (Izay nakatoa ilay Iraka dia efa nankatoa an'i Allah) [Sourate-Anissay :80] ary mbola niteny ilay avo Tsitoha manao hoe : (Ary tsy miteny araky ny sitrapony izy, fa izay lazainy dia faminaniana tonga taminy). [Sourate-An-Najmou : 4,3]. Ary niteny ilay avo indrindra manao hoe : Tena manana ohatra fakan-tahaka tsara tokoa ianareo amin'ny Irak'i Allah ho an'izay manantena an'i Allah sy ny andro farany, ary mahatsiaro an'i Allah mandrakariva. [ Sourate-Al-Ahzab : 21 ].