VAliny42 - Ny AHLOU SOUNNA WAL-JAMAA : Dia ireo olona nifikitra amin'ny fampianaran'ny Mpaminany (S.A.W) sy izay nataon'ireo mpiara-diany na amin'ny alàlan'ny teny sy ny fihetsika ary ny foto-pinoana.
Ary nantsoina hoe AHLOU SOUNNA izy ireo : Nohon'ny fanarahan'izy ireo fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.A.W) ary fiatahan'izy ireo amin'ny karazana forona.
-Nantsoina hoe Al-Djamant izy ireo : Satria noho izy ireo nanaiky nitambatra amin'ireo zavatra marina sy mari-pototra ary tsy mba misaratsaraka manoloana ny fahamarinana.