Fanontaniana41 : Inona ny adidy miandry amin'ny famporisiana amin'ny fanaovana tsara sy fandrarana amin'ny ratsy?

Valiny41 - Ny tsara (MAAROUF) : io dia famporisiana ny olona amin'ny fankatoavana an'i Allah ilay avo Tsitoha. Ary ny ratsy (MOUNKAR) : Dia fanakanana ny olona mba tsy hilomano ao anatin'ny fahotana.

Niteny i Allah manao hoe : (Ianareo no vahoaka mendrika indrindra izay notsongaina tamin'ireo olombelona rehetra, Satria ianareo no mamporisika ny olona amin'ny fanaovan-tsoa ary mandrara ny olona amin'ny fanaovan-dratsy ary mino an'i Allah...). [Sourat Àl-Imran : 110].