Valiny22 : Ny fiatsarambelatsihy dia fanehoana ny tsara ary fanafenana ny ratsy.
1- Ny fihatsarambelatsihy lehibe indrindra : Fanafenana ny fikomiana ao am-po ary fanehoana miharihary ny finoana.
Ary mamoaka ny olona ao amin'ny Islam ny fikomiana lehibe.
Niteny i Allah manao hoe : (Tena marinafa ireo mpihatsaravelatsihy dia hitoetra ao amin'ny ambany indrindra amin'ny Afobe ary tsy ahita famonjena ho azy ireny na ovina na ovina ianao). [Sourate-An-Nissa : 145].
2- Ny fihatsarambelatsihy kely :
Ohatra: Toy ny mandainga, tsy mitazona ny teny nomena, ary mivadika amin’ny fitokisana.
Fa tsy mamoaka olona ao amin’ny finoana silamo izany, Saingy ahazo fahotana sy iharan’ny sazy ny mpanao azy.
Niteny ilay Irak'i Allah manao hoe : "Famantarana ireo mpihatsaravelatsihy dia telo : - Rehefa miresaka dia mandainga, - Rehefa mampanantena dia tsy manatanteraka, -Rehefa nametraham-pitokisana dia mivadi-pitokisana. [Notaterin'i Al-bokhàri sy Moslimo].