Fanontaniana19 : Lazao ny foto-pinoana AL-WALAA sy AL-BARAA?

Valiny19 : Ny AL-WALAA : Fitiavana an'ireo mpino silamo sy ny fanohanana azy ireo.

Niteny i Allah manao hoe : (Ary ireo mpino lahy sy vavy, dia mpinamana akaiky sy mifanohana...). [ Sourate-A-taobat : 71 ].

Ny AL-BARAA :Fankahalana ireo mpikomy sy fiadivana amin'izy ireo.

Niteny i Allah manao hoe : {Efa nanana ohatra tsara tokoa ianareo tamin’i Mpaminany Ibrahim, sy ireo niaraka taminy, tamin’izy ireo niteny tamin’ny vahoakany hoe : “Miala madiodio aminareo izahay, sy izay tompoinareo ankoatr'i Allah. Teraka teo aminay sy teo aminareo ny fifampifahavaloana sy ny fifankahalana, raha tsy efa mino an’i Allah tokana ianareo”}. [ Sourate-Al-moumtahanah : 4 ].