Valiny18 : Ny Bidian dia ireo zava-baovao noforonon'ny olombelona ary nampidiriny ao anatin'ny finoana, nefa tsy mbola nisy tamin'ny vanom-potoan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ireo mpanara-dia azy.
Tsy ekentsika ary averintsika any amin'ilay namorona azy.
Araky ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny forona rehetra dia fahaverezana". Notaterin'i Abo Dawod (R.A).
Ohatra: Ny fampitomboana amin'ny resaka fanompoana, toy ny fanasana fahaefatra rehefa manao Ouzou, sy ny fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’ny Mpaminany (S.A.W), nefa tsy nataon'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny mpiara-dia aminy izany.