Valiny15 : - Ny finoana an'i Allah ilay avo Tsitoha :
Mino ianao fa i Allah no nahary sy mpanome anjarampivelomana anao, ary izy irery no mpanjaka sy mpandrindra fiainan'ireo zavaboary.
Ary izy no tompoina ka tsy misy azo tompoina am-pahamarinana afa-tsy izy irery.
Ary izy no avo indrindra, Lehibe, Lavorary, Azy ny dera rehetra, ary manana ireo anarana tsara Indrindra sy ny toetra lafatra indrindra, tsy misy mira-lenta aminy, ary tsy misy mitovy endrika aminy.
Ny finoana an'ireo anjely :
Izy ireo dia zavaboary noharian'i Allah tamin’ny hazavana, mba hiankohoka eo anatrehany ary hanaiky tanteraka ny didiny.
-Isan'izany i Jibril (A.S) izay mitondra ny faminaniana midina ho any amin'ireo Mpaminany.
Ny finoana ireo boky :
Izy ireo boky nampidinin'i Allah amin'ireo Irany.
- Toy ny boky masina Coran : nampidinina tamin'i Mouhammad (S.W.A).
- Ny Evanjily nampidinina tamin'i Issa (A.S) na i Jesoa Kristy.
- Ny Taoraty nampidinina tamin'i Moussa (A.S).
- Ny Zabora nampidinina tamin'i Daoud (A.S).
- Ny Takelakan'i Ibrahim sy Moussa dia nampiidinina tamin'ny Mpaminany Ibrahim (A.S) sy i Moussa (A.S).
Ny finoana ireo Iraka :
Izy ireo no nalefan'i Allah ho any amin’ny mpanompony mba hampianatra azy ireo, hitondra vaovao mahafaly sy ny Paradisa, ary hampitandrina azy ireo amin’ny ratsy sy ny afobe.
Ary ny tsara indrindra amin'izy ireo dia : (OLOUL-AZMI), ireto avy izany :
i Nouh na i Noa (A;S).
i Ibrahim na i Abrahama (A;S)
i Moussa na i Mosesy (A;S).
i Issa na i Jesoa Kristy (A;S).
i Mouhammad (S.A.W).
Ny finoanana ny andro farany :
Izy io dia fiainana aorian’ny fahafatesana manomboka ao am-pasana, sy ny andro farany, ary ny andro fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana, izay hitoeran’ny olon’ny Paradisa ao amin'ny toerany ary ny olon’ny Afobe ao amin'ny toerany.
Ny finoana ny lahatra tsara sy ny ratsy :
Ny lahatra : Izy io dia finoana sy fanekenao fa i Allah mahafantatra ny zava-mitranga rehetra eto amin’izao tontolo izao, ary efa nosoratany tao amin’ny takelaka voatahiry izany, ary sitrapon'i Allah ny fisiany sy ny famoronana azy.
Niteny i Allah manao hoe : (Tena marina fa ny zava-drehetra dia efa noharianay tamin'ny lahatra sahaza azy avokoa). [ Sourate-Al-Quamar : 49 ].
ary izy io dia mizara amin'ny ambaratonga efatra :
Ny Voalohany : Ny fahalalan’i Allah ilay Tsitoha, anisan’izany ny fahalalany mialoha ny zava-drehetra, mialoha sy ao aorian’ny fisehoan-javatra.
Porofo amin'izany, dia ilay tenin'i Allah manao hoe : Marina tokoa fa eo amin'i Allah ny fahafantarana ilay ora farany, ary izy no mampilatsaka ny ranon'orana, ary izy ihany koa no mahafantatra ny ao am-bohoka. Ary tsy misy olona mahafantatra izay hahazo azy rahampitso sy izay tany ahafatesany. Fa i Allah no mahalala ny zava-drehetra. [ Sourat Lokomany : 34 ].
Ny Faharoa : Efa nosoratan’i Allah tao amin’ny takelaka voatahiry antsoina hoe : LAWHOUN MAHFOUZ izany, ka izay rehetra nitranga sy izay mbola hitranga dia efa voasoratra miaraka ao anaty boky.
Porofo amin'izany dia ilay tenin'i Allah manao hoe : Ary izy (Allah) irery ihany no mitana ireo fanalahidin'ny zava-miafina, Tsy misy mahafantatra izany afa-tsy izy, ary fantany avokoa izay any anaty tany sy any anaty ranomasina. Ary tsy misy na dia ravinkazo iray mihintsana aza ka tsy fantany. Ary tsy misy na voa iray ao anaty haizin-tany na mando na maina ka tsy voarakitra mazava tsara ao anatin'ny boky. [ Sourat Al-An'Am : 59 ].
Ny fahatelo : Ary amin'ny sitrapon'i Allah no hitrangan'ny zava-drehetra, ka tsy misy na inona na inona mitranga avy aminy na amin'ny zavaboariny raha tsy amin'ny sitrapony.
Porofo amin'izany dia ilay tenin'i Allah manao hoe : Ho an'izay te hanaraka ny làlana mahitsy aminareo. Fa tsy ho tanteraka mihitsy ny sitraponareo raha tsy sitrak'i Allah ilay tompon'izao tontolo izao. [ Sourate-At-Takwiry : 28,29 ].
Ny Fahefatra : Ny finoanao fa noforonin’i Allah avokoa ny zavaboary rehetra, ary Izy no nahary ny tenany, ny toetrany, ny fihetsiny ary ny zavatra rehetra ao aminy.
Porofo manambara izay ilay tenin'i Allah manao hoe : Ary i Allah no nanamboatra anareo sy izay ataonareo. [ Sourate-Soafaty : 96 ].