Fanontaniana10 : Inona avy ireo karazana fanokanana an'i Allah (TAWHID)?

Valiny10 : 1-Fanokana an'i Allah amin'ny maha tompo mpiahy azy (Tawhid Roboubya) : Izay midika hoe : Finoana fa izy Allah no tompo mpahary, mpanome anjarampivelomana, mpanjaka sy mpandrindra, Izy irery ary tsy misy mpikambana aminy.

2-Fanokanana an'i Allah amin'ny fanompoana azy (Tawhid Oulouhya) : Izay midika hoe : Fanokanana an'i Allah amin'ireo karazam-panompoana rehetra atao, Ka tsy misy olona na zavatra hafa tompoina afa tsy i Allah ilay avo tsitoha.

3-Fanokanana an'i Allah amin'ny anarana sy toetrany (Tawhid Asmaa Wa Swifatihi) izay midika hoe : Finoana ireo anaran'i Allah sy ny toetrany izay voarakitra ao amin'ny boky masina Coran sy ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.A.W), tsy misy fanoharana, na fampitovizana na fanimbana.

Ary ny porofo manamarina ireo fizaran'ny fanokanana an'i Allah telo ireo : Ilay tenin'i Allah manao hoe : 65-Izy (Allah) no tompon’ireo lanitra sy ny tany sy izay rehetra eo anelanelany, Ka tompoy izy, ary manàna faharetana eo am-panompoana azy, ka moa ve mahafantatra ny mitovy aminy ianao? [ Sourat Mariam : 65 ].